♦ Mbola tsy voaporofo ny fisian'ny olona maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Manambana ny hihazo ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, eny Ambohidahy, ireo mpiasan'ny CTC-19, izay tsy nisitraka karama roa volana... ♦ Tovovavy iray, mpianatra hanala fanadinana bakalorea, no noroahina tamin'ny fomba tsy mazava tany amin'ny Lycée Brickaville...
Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12
♦ Tsy avela hitoka-monina intsony ny Distrikan'i Marolambo, fa tsy maintsy hampandrosina amin'izay, hoy ny Filohan'ny Repoblika androany... ♦ Samy nandrava ny Faritra Ihorombe avokoa na ny rivodoza Batsirai na i Emnati ka nampitondra takaitra ireo Distrika telo mandrafitra azy... ♦ Nifarana androany ny fivoriana iraisam-pirenena nifanakalozan-kevitra ny hanaovana asa mivaingana, hikendrena ny hamerenana amin'ny laoniny ny lafiny maha olona maneran-tany, ao aorian'ny valan'aretina Covid-19...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco