Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12

Manohy ny fampianarany hatrany i Jesoa amin’ireto vahoaka manaraka azy. Mampianatra araka ny fanaony. Fiainan’i Jesoa mihitsy izany ny mampianatra. Aoka ataontsika fiainana araka izany koa ny fihainoana azy. Aoka ho tamana mihaino azy isika. Aoka ho vonton’ny Evanjely ny fiainantsika.

Momba ny fisaraham-panambadiana ny fampianaran’i Jesoa androany. Naorin’Andriamanitra ho Famantarana ny fitiavany tsy mivadika ny mariazy ka tsy azo ravana mandram-pahafaty. Mafy fo moa ny olona sasany na dia efa nohasarotina aza ny fahazoana misintaka dia nataon’ny sasany ihany. Hany ka tsy afa-nanoatra i Moizy fa dia nanome fahazoan-dalana (Det 24, 1). Tsy maharava izay naorin’Andriamanitra anefa izany. Tsy sitrapon’ny mpivady fotsiny manko ny fanambadiana ka hoe izay ifanarahany na horavany aza rehefa mifanaraka izy. Tsia, fa sitrapon’Andriamanitra mihitsy. Izay raha fanambadiana.

Raha fitiavana amin’ny ankapobeny kosa, antsoina hiaina izany isan’andro ny olona rehetra. Ary anisan’ny toetry ny fitiavana marina izany hoe mahatoky, tsy mivadika… Mivavaha isika ho an’ny mpivady mba haharitra amin’ny fitiavana. Mivavaha ho an’ireo tokantrano mikorontana mba hofenoin’Andriamanitra fitiavana isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...