♦Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Vohipeno sy Farafangana omaly ny filoham-pirenena. Ho an'ny lalana ao Farafangana, volam-panjakana no nanaovana izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Nihaona tamin'ny mpikirakira lavanila maintso tany amin'ny faritr'i Sava ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tsy maintsy jerena ny tombotsoan'ny tantsaha mpamokatra hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... ♦ Harena ankibon'ny tany : hamerina an'ireo mpitrandraka madinika anatin'ny sehatra ara-dalana ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Mbola nampitandrina an'i Suede sy Filande amin'ny fikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Rosia...
Ny olona rehetra dia mitovy hasina, noho izy nohariana hitovy endrika aminy ary manahaka azy. Raha manan-kasina ny olombelona tsirairay eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy tokony hifanohitra amin'izany ny olona iray eo anatrehan'ny olombelona iray hafa. Noho ny fitovian-kasina dia tokony firahalahiana lalim-paka no misy eo amin'ny olombelona samy olombelona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 7 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 62-79
♦ Tany Vohipeno sy Farafangana androany ny filohan'ny repoblika, nitokana fotodrafitr'asa maro... ♦ Hatrany amin'ny 80 tapitrisa dollard ny trosan'ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar, amin'izao fotoana izao, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Olona maherin'ny 500.000 amin'izao no misehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tsy ara-dalàna, noho ny tsy namoahana fahazoan-dalana mitrandraka intsony. Toeram-pitrandrahana 120 isa eo farafahakeliny no iasan'izy ireo... ♦ Firenena voalaza ho nahafatesana olona betsaka vokatry ny valanaretina Covid-19 ny any Inde, raha ny tatitra avy amin'ny OMS...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco