Sabotsy 7 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 62-79

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay. Voalaza ao amin’ity Evanjely ity fa na dia ireo mpianatra aza dia tsy nahazo ny betsaka tamin’izy ireo ka nilaza hoe sarotra izany teny izany, isika ankehitriny koa dia alaim-panahy hiteny toy izany, ireo mpianatra aza naira-niaina tamin’i Jesoa, nahita azy kanefa dia mbola nahateny izany, vao mainka fa isika tsy mahita azy… sambatra anefa izay tsy mahita ka mino.

Tsy vitan’ny niteny hoe sarotra izany teny zany fotsiny izy ireo fa nimonomonona tao am-pony koa ka fantatr’i Jesoa. Nimonomonona tao am-pony, fanontaniana no napetrany tamin’ireo mpianany hoe manafintohina anareo va izany ? Tsy nisy namaly anefa ireo raha ny momba io fanontaniana io fa i Jesoa ihany nanohy ny teniny nilaza hoe : ny fanahy no mahavelona ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory. Ny fanahy tokoa no maha olona hoy ny Ntaolo razantsika efa nanana fahendrena lehibe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...