Rariny raha mankamamy ny fahafahana ary mikatsaka azy amin'ny fony tokoa ny olombelona satria ilay hasina maha-olona mihitsy no mitaky izany. Ny fahafahako dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa. Hoy ny Pape Joany Paoly faharoa hoe : miriaria anaty fahafahana tsy hita noanoa ny olombelona satria afa-mihinana amin'ny hazo rehetra ao antin'ny saha. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 6 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60
♦ Saika nisy fivoriana mikaton-trano sahady teny Tsimbazaza androany, handinihan'ireo Solombavam-bahoaka ny raharaha anatiny sy ny raharaham-pirenena amin'ny ankapobeny. Nitsipaka ny ny hisian'izany ireo Solombavam-bahoaka mpanohana ny fitondrana... ♦ Voatery hanondrontra ny saram-pianarana mifanaraka amin'ilay fampakarana karama farany ambany ireo sekoly tsy miankina amin'ny taom-pianarana ho avy... ♦ Tanora 50 mianadahy nahavita fandrafetana lafim-panofanana ho an'ireo mpisehatra amin'ny asa tanana indray androany no notolorana mari-pahavitam-piofanana tety amin'ny Foiben'ny Tranoben'ny Asa Don Bosco Ivato. Afaka hisehatra amin'ny asa avy hatrany izy ireo, ao aorian'izao...
♦ Hiakatra fitsaràna amin'ny faraparan'ity volana mey ity ny raharaha fanondranana volamena 73 kilao mahery sarona tatsy Afrika atsimo. Vita avokoa ny fanadihadiana. Didim-pitsaràna sisa andrasana hoy ny PAC... ♦ Niravina ny disadisa teo amin'ny mpianatra avy any Ihosy sy Manandriana Faritra Amoron'i Mania mandrato fianarana ao amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny alatsinainy 02 mey teo... ♦ Zana-kazo hatrany amin'ny 300.000 isa no hovokarin'ny Foibe Fafiala ao amin'ny distrika Bealanana ho fiarovana ny tontolo iainana. Kaominina roa no hiasana amin'ity taona ity...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco