♦ Omena tombony amin'ny fanalefahana amin'ny fandoavan-ketra sy ny haban-tseranana ireo mpandraharaha vonona hiara-hiasa amin'i Madagasikara ao anatin'ilay P.E.M, hoy ny Filoha Rajoelina Andry... ♦ Fikaonandoham-pirenena momba ny fanorenana ifotony no ilaina, hoy Andriamatoa Andriamiseza Alain. Hitafa amin'ny mpanao gazety hanazava izany miaraka amin'ireo delegasiôna avy amin'ny Faritany izy anio... ♦ Tafaverina tamin'ireo vehivavy mpianatra eny Ankatso ny efitrano izay nitarika disadisa teo amin'ireo samy mpianatra, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Voafidy ho Filoha Breziliana i Lula da Silva. Resiny tamin'ny salanisam-bato hety dia hety ny Filoha amperinasa Jair Bolsonaro...

31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

Tena ilaina eo amin'ny fiainana maha olona ny feon'ny fieritreretana. Ny atao hoe feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra tsy mety diso mibitsika ao amintsika. Matetika anefa izany vonointsika toy ny mamono olona tsy am-piheverana, ny mangalatra sy ny mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny Eglizy. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alatsinainy 31 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 12-14

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...