31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

Ny fahagagana nataony no tena nanamafy ny fampianarany. Izany hoe, nanisy mariky ny hazofijaliana tamin'ny mason'ny jamba izy ka nahiratra ireo. Nampiteny ny moana ihany koa i Quentin, nampalady ny marenina izy, ary nampitsangana ny malemy. Izany rehetra izany dia nampitonmbo finoana ireo olona sasany izay nifanerasera taminy. Nefa ihany koa; nampirongatra ny fankahalan'ireo izay tsy tia azy.

Anisan'ireo nanenjika an'i Quentin ny governora romanina tamin'izany fotoana izany, i Rictiovarus. Nantsoin'ity governora ity i Quentin, nanontaniany hoe : "Iza no anaranao ?", dia hoy i Quentin : "Kristianina no fiantsoana ahy, loholona ao Roma ny raiko, ary nomeny anarana hoe Quentin aho". "Olona manana fiandrianana ambony toa izany ianao dia hivarilavo amin'ny finoanoam-poana toy izao", hoy ny governora. Fa hoy i Quentin : "Ny tena fiandrianana dia ny manompo an'Andriamanitra. Ny fivavahana kristianina, tsy finoanoam-poana velively, hoy izy, fa manandratra anay amin'ny fahasambarana tonga lafatra, amin'ny alalan'ny fahalalana an'Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra, sy ny Zanany teraka talohan'ny taona rehetra". Dia hoe i Rictiovarus : "Ialao ny hadalanao ary manaova sorona amin'ireto andriamanitra ireto". "Sanatria, hoy i Quentin, demony ireo andriamanitrao ireo. Tena hadalana ny mitsaoka ireo". "Manolora sorona amin'ireto andriamanitra ireto, hoy ihany i Rictiovarus, raha tsy izany ampijaliako mandram-pahafatinao ianao". Fa novalian'i Quentin moramora hoe : "Tsy matahotra aho ! Manana fahefana amin'ny vatako ianao, fa i Kristy kosa mamonjy ny fanahiko". Fampijaliana mahatsiravina no setrin'izany fiekem-pinoana nataon'i Quentin izany. Nefa nankahery ity mpanompony Andriamanitra, ka nisy feo heno avy an-danitra nanao hoe : "Quentin, mahareta fa eo anilanao hatrany aho". Tamin'izay dia nianjera tamin'ny tany ilay mpampijaly azy. Natsipy tao anaty lakavy Quentin avy eo, nefa dia indroa nanafaka azy ny anjely. Tamin'izay izy dia lasa nitory teny teny afovoan'ny tanana ary nahatratra enin-jato by olona nataony batemy.

Vao mainka nampirehitra ny hatezeran'i Rictiovarus, governora, ny fahitana izany asa fitoriana nataon'i Quentin izany, ka nalainy indray io ary nampijaliany tamin'ny kodiarana, ny firitsoka vita tamin'ny vy, ny menaka mangotraka, ny vy mahamay, nikapohana sy nampijaliana azy avokoa izany. "Mpitsara tsy valahara ianao, hoy i Quentin, zanaky ny demony. Ny fampijalianao anefa dia fanafahana ho ahy". Nampian'ny mpanenjika azy indray ny fampijaliana an'i Quentin. Natsongoloka ny vatany, nofantsihana teo anelanelan'ny hohony sy ny nofony ary notapahana ny lohany avy eo. Tamin'izay fotoana izay indrindra, nahita voromailala fotsy, nanidina niakatra ny lanitra ireo nanatrika teo, ka noheverini'izy ireo fa ny fanahin'i Quentin iny, niakatra any amin'ny Ray.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...