Alatsinainy 31 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 12-14

Ny fanasana ny hafa hiara-hisakafo amintsika no lohahevitra aroson’ny Evanjely ho antsika anio, ka ireo karazan’olona hasaina no tiana hotsindriana bebe kokoa : ao ireo fantatra toy ny havana, namana sy tapaka, fa ao kosa ireo tsy fanta-poko sy tsy fanta-pirenena kanefa ireo indrindra no tokony hasaina, hoy indrindra i Jesoa Kristy.

Toa maniraka antsika hanao ny tsy fanao i Jesoa Kristy eto, satria iza tokoa moa no hiara-hihinana aman’olon-tsy fantatra e ! Fijaliana aza no mahazo rehefa olona tsy fantatra no natao hiray latabatra amin’ny tena rehefa voaasa amin’ny lanonana. Fa nahoana àry i Jesoa no manentana antsika hanao izany ? Ary karazan’olana manana kilema ara-batana avokoa fa tsy mba irony olona manan-katao irony ? Ao ny malemy, ao ny mandringa ary ao ny jamba ihany koa.

Satria mahatsapa fahasambarana isika eo am-panaovana izany. Ny fahasambarana eto dia ny manome maimaim-poana, vokatry ny fo fa tsy misy ambadika pôlitika na atero ka alao velively. Fihetsika feno fitiavana marina no naseho etoana satria mikatsaka ny soa ho an’ireo tsy tsara vintana teo amin’ny fiainana. Toy ny hoe manosika antsika manan-katao ho fitaovan’Andriamanitra ; ho afaka hahavonjy ny ain’ny hafa izany fihetsika izany ka mahatonga antsika hahatsapa fa misy antony ny iainantsika eto an-tany.

Farany, mampiseho ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany ny fanatanterahana izany fihetsika feno fitiavana izany, satria ahitana ny fifampitsimbinana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...