16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.

Misy ireo fianakaviana no tsara halaintahaka. Ohatra ny  fianakavian'i Louis Martin sy Zélie : azo lazaina ho mendrika sy lavorary amin'ny fifampitondrana mankeo amin'Andriamanitra. Izy iray  ankohonana mihitsy no lasa olomasina hajain'ny Fiangonana. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Alarobia 16 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28

♦ Hanadihady momba ilay teo-draharaha nitranga tany Ikongo ny 29 aogositra 2022, ny Solombavam-bahoaka. Nolaniana androany ny tolo-pehin-kevitra momba ny fananganana ny vaomiera hisahana izany... ♦ Tsy maintsy hamafisina, hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny fizakan-tenan'ireo Kaominina sy ny Faritra eto Madagasikara, na amin'ny ara-bola izany na amin'ny fitantanana... ♦ Nanomboka androany ny taom-panondranana lavanila 2022-2023, araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra, niainga tamin'ny tolo-kevitry ny Filankevi-pirenen'ny lavanila...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...