Alarobia 16 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28

Mampianatra antsika tsy hamela handeha ho azy ny fiainana fa hitodika any amin’izay hiafarana, fotoana hitsaran’Andriamanitra antsika, ity fanoharana nataon'i Jesoa ity; ary indrindra ny hiasantsika dieny izao ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Nanankinan’Andriamanitra asa mba ho tanterahina isika, eto anivon’ity fiainana ity, asa mamaritra ny maha zanany antsika amin’ny fomba entintsika miaina sy manasoa ny hafa. Fa io asa sahanintsika io ihany, no hanorenatsika dieny ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, hanompoantsika Azy amin’ny maha isika antsika manontolo. Nomeny denia mitovy avy isika, nomeny fahasoavana, nomeny fitiavana sy indrafo, sy ny maro tsy ho voatanisa, mba hampamokarina. Izany hoe :

  1. Hanova antsika hankatoa sy hanaiky Azy Andriamanitra voalohany indrindra, ka handray am-pinoana sy am-pitiavana ary am-pahamendrehana izay zarainy amintsika.
  2. Hampamokatra izany mba ho voninahitr’Andriamanitra.

Hirantsika ny hoe: "Ity tany ity fandalovam-bahiny" ary tsy maintsy hiatrika an’Andriamanitra isika tsirairay avy indray andro any, hitondra eo anatrehany izay nandaniantsika ny androm-piainantsika. Aoka tsy hanadino izay andrasana amintsika.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...