♦ Fikaonan-doha mazava sy mahomby no ilaina, olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontson'izy ireo no hantsoina hoy ny hafatra avy amin'ny fivondronaémben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Vahaolana lavitr'ezaka hamahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny Ampasika kaominina Bemasoandro Itaosy, ny fanamboarana tetezana eny Ambohitrimanjaka sy Makis mivoaka eny amin'ny Fiombonana sy Ambohidrapeto... ♦ Fikambanan'ny mpivarotra etsy Vavafolo Tsarasaotra : Hametraka fitoriana eny anivon'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly (Pac) mahakasika ny Ben'ny tanàna CR Ambatolampy Tsimahafotsy... 

♦ Miantso ny Malagasy mba handray an-tanana ny fiainany ka tsy hampandefitra ny marina sy ny fihavanana ny hafatra avy amin'ny Fivoriamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hanatitra fehezam-boninkazo fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny hetsika Mey 1972, eny Analakely anio, ny Fikambanana Mai-72... ♦ Niharan'ny fisavana nataon'ny mpitandron'ny filaminana alina ny haino aman-jery VIVA Madagasikara, haino aman-jery izay an'ny filoha teo aloha Rajoelina Andry...

Mila mahay manavaka tsara ireo lafim-panabeazana ny ray aman-dreny : avahany miavaka tsara ny fanabeazana ara-nofo, ny fanabeazana ara-tsaina ary ny fanabeazana ara-panahy. Mifameno ireo lafiny telo ireo saingy kosa samy manana ny hanitra ho azy, ka samy mila raisina an-tanana tsara daholo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

• Manohy ny ady sisika amin'ny fananganana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina na ny CESC, ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nihaona tamin'ny depiote izy ireo nifampifdinika sy nifampizara vaovao momba ny volavolan-dalana momba azy io... • Hiroso amin'ny fanarenana ny KRAOMA ny tompon'andraikitra. Mpiara-miombona antoka vahiny maro no efa vonona hiara-miasa amin'ity orinasa ity, hoy ny Tale jeneraliny, Kerone Idealson... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany ny tetikasa SABER, fampisakafoana an-tsekoly. Maherin'ny 4.000 ireo sekoly manerana ny nosy misitraka izany, amin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity...

[Miara-dàlana] Zoma 6 novambra 2026

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...