Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondran-tena ary ny fahalalam-pomba dia taratry ny fivoaram-piainana ho amin'ny tsara kokoa. Rehefa tsy te handray ny fanabeazana homena azy ny ankizy dia mety ho tojo lalana sarotra, ohatra amin'ireny ny fiainana ara-pitiavana iainan'ny mpianatra, tanora. Ny vehivavy mitoetra irery, mahaleo tena dia misy fiatraikany ara-panabeazana ny zanaka ary mahakasika ny fivoaram-piainana izany... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Nifanarahan'ireo mpikamban'ny governemanta ny asa manakaiky ny vahoaka ary hirotsaka an-tsehatra hijery ireo asa eny ifotony ilain'ny vahoaka izy ireo hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Tetik'asa laharam-pahamehana ho an'ny Fanjakàna amin'ny famatsiana herinaratra ny SAHOFIKA, nisy omaly ny fihaonan'ny Filoham-panjakàna ny Kôlônely Michaël Randrianirina niaraka tamin'ireo mpamatsy vola hanohizana ny tetik'asa... ♦ Hotanerahina anio eny amin'ny Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika, Faritra Itasy ny fanokafana ôfisialy ny taom-pambolen-kazo 2025-2026...

Ny sakafo masina amin'ny Eokaristia no mamelona ny olona, sakafo tokana manome ny ain'Andriamanitra ho antsika dia tsy inona fa ilay "Teny Tonga Nofo". Ireo fizaràna roa ao amin'ny Litorjian'ny Eokaristia dia ny Eokaristia Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia Sorona amin'ny alalan'ny Mofo sy ny Divay dia mifameno. Ny teny dia tanteraka ao amin'ny tolotra ary ny atolotra dia hazavain'ny Teny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

♦ Fanovàn-drafitra fa tsy fandaminana raharaha pôlitika fotsiny no andrasana amin'ny fikaonan-doham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul. Nambarany fa tsy matotra ny fikarakaràna ny fikaonan-doha, raha ny hita hatramin'izao... ♦ Horaisin'ny Fanjakàna an-tanana ny fanonerana ny vola lanin'ireo fianakaviana nitsaboana ireo tratry ny fanapoizinana tamin'ny raharaha Ambohimalaza. Noraisin'ny filoham-panjakàna teny Iavoloha ireo fianakaviana ireo, omaly... ♦ Tombànana ho mbola betsaka ny rotsak'orana amin'ny faritra sasany hatramin'ny rahampitso. Misy ny filazàna fampitandremana navoaky ny Sampana Météo, indrindra ny ilany atsinanan'ny nosy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...