---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...

Fa ankoatra an’io fitakiana rano sy jiro io, dia teo koa fitakiana ny handravana ireo andrim-panjakana. Voakasika tamin’izany ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, ary ny antenimieram-pirenena. Dia indro fa tsy mbola tapitra mandraka ankehitriny ny fanehoan-kevitra samihafa sy ny fitakiana, na avy amin’ireo tanora nitolona izany na ireo mpanao politika sasatsasany, ny fandravana ny antenimieram-pirenena. Etsy ankilany saika efa samy naneho hevitra miaro ny tenany ny solombavam-bahoaka sasany ary mahasahy milaza izao izy ireo fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanovana nisy teto amin’ny firenena, indrindra ireo izay nanana sy mbola manana ny maro an’isa eny Tsimbazaza.

Fototry ny fitakiana ny handravana ity andrim-panjakana ity ny hoe : tsy mahavita ny asa sahaniny sy napetraka taminy ireo solombavam-bahoaka, raha tsy hilaza afa tsy ny fanarahamaso ny asan’ny mpanatanteraka, ny fanomezan-dàlana ny fitsarana avo na ny HCJ hanenjika ara-pitsarana noho ny fandikan-dalana sy ny fanaparam-pahefana nataon’ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena toy ny minisitra teo aloha, ny filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha sns...Ireto solombavambahoaka mantsy no tompon’ny teny farany ahafahana mandray ny fanampahan-kevitra manao izay fanenjehena izay, saingy tsy mbola nahitana mangirana izany manoloana ireo raharaha goavana sy naha be resaka teto amin’ny firenena toy ny raharaha écran plat, ny raharaha bonbon sucette, ny fiara tsy mataho-dalana maro tsy hita popoka tamina minisitera iray sns... Manamarina izany rahateo ny vokatry ny fanadihadihana nataon’ny teo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty izay nilaza fa volam-panjakana hatrany amin’ny 800 sy 3 arivo miliara ariary no very tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny taona 2025. Asa izay tokony ho hitan’ireo solombavambahoaka raha nisy tokoa ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka, saingy ankehitriny ireto olom-boafidy vao milaza hanokatra fanadihadihana parlemantera momba izany. Tonga amin’ilay fitenenana hoe lasa ny alika vao manangom-bato.

Fa ankoatr’izay tsy fahavitany ny asany araka ny tokony ho izy izay, dia isany andrim-panjakana tena mandany vola be ny Antenimieram-pierampirenena. Mavesatra dia mavesatra ary tena manontany ny ory mihitsy ny karaman’ireo solombavam-bahoaka raha oharina amin’ny karaman’ny mpiasa tsotra. Ankoatra ny karama isam-bolana mantsy, dia tena mampiteny ny moana ny tambi-karama samihafa toy ny solika, ny fahana hoan’ny finday, ny hofan-trano, sns...manginy fotsiny ny fitakiana tombontsoa manokana toy ny fangatahana hisitraka fiara tsy mataho-dalana, ny fisian’ny fivoriana mikato-trano matetika eny Tsimbazaza midika ho fanerena an-kolaka ny mpitondra hanome fahafaham-po ireo solombavam-bahoaka... Raha ny voafaritra tao anatin’ny teti-bolam-panjakana hoan’ny taona 2025 izao dia nanodidina ny 85,9 miliara ariary ny teti-bola natokana hoan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Sora-bola izay isany miteraka fahasorenana hoan’ireo vahoaka nifidy ireto solom-bavany ny mahita sy mihaino azy ka mampanontany tena azy ireo hoe : « Mba mifanaraka amin’ny asa sahanin’ireo solombavam-bahoaka tokoa ve ny fandaniana ao amin’ity andrim-panjakana iray ity ? Hiaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tànana mantsy ny zava-misy rehefa anatin’ny fivoriana ity andrimpanjakana ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahabangan-toerana maron’ireo solombavam-bahoaka, avy eo koa tsy dia ahitana ady hevitra firy raha nolazaina ho lapan’ny demokrasia ny eny an-toerana rehefa misy ny fandaniana lalàna. Toa Zary efa mahazatra ny mahita ireo solombavam-bahoaka manara-drenirano manangan-tanana fotsiny, ary raha misy aza ny tsy fitovian-kevitra dia vita amin’ny alalan’ny fivoahana anaty efitrano fivoriana hoan’ny an-daniny sy ny an-kilany izany. Lasa ihany ny eritrerity ny Arofanina hoe : Mpisolo vava ny vahoaka amin’ny inona ary ireto olom-boafidy ireto e ? Toa efa maro ihany koa ny tolo-kevitry ny valalabemandry hoe tokony mba olona nianatra momba ny lalàna no sivana apetraka amin’ireo hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka ary atao mitovitovy amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana an-kapobeny ny karamany, ka ho hita eo izay tena tia tanindrazana hisolo vava ny vahoaka nifidy azy marina….

Fa manampy trotraka ireo rehetra ireo, dia maha valalanina ny zava-misy raha ny fijerin’ny aro-fanina. Tsy ela akory fa vao ny herinandro lasa teo, tsy takona afenina ny ady mangatsiaka eo amin’ireo solombavam-bahoaka sasantsasany, ary ny tena mahamenatra dia tsy voafehy intsony fa dia natao ho hitan’ny daholobe anatin’ireny tambanjotran-tserasera ireny. Pitik’afo namaky bantsilana izany ilay requête na fitoriana nataon’ny solombavam-bahoaka, izay milazalaza, araka ny nambarany, ireo fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra. Dia indro fa avy nanao be fiavy sy angaredona ireo solombavam-bahoaka namany, eny hatramin’ny filohan’ity andrim-panakana ity aza, nanameloka sy nilaza ireo heveriny fa fahadisoana nataon’ny olona ambany fifehezany. Angaredona raha jerena amin’ny fo tsy miangatra toa diso fiantefa ihany, hoy ireo fanehoan-kevitry ny olona sasany, satria tsy izay tokoa aza ve moa no asan’ny solombavambahoaka e ? manatsinkafona sy milaza ireo heveriny fa tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpanatanteraka ? Raha ny maso mijery avy amin’ny aro-fanina dia toa ireo solombavam-bahoaka lany tamin’ny anaran’ny volom-boasary an’ny fitondrana teo aloha, izay mbola manana ny maro an’isa, ireo nivoaka tamin’ny fahanginany sy namantsipantsika ilay ranamana nihevitra fa nanao ny asany. Eny tokoa ao anatin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2026 ity ireo solombavam-bahoaka ankehitriny izay voafaritra aharitra 60 andro. Laha-dinika amin’izany ny fandinihana ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana, fa isany asa tena andrasana amin’ireto olom-boafidy ireto ihany koa, ary ho jerena raha tena sahy hitondra fanovana amin’ny fomba fiasa tokoa izy ireo, ny mahakasika ny fanomezan-dalàna hanenjehana ara-pitsarana ny filoha teo aloha Rajoelina Andry. Dia miandry miara-mahita isika valalabemandry e.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...