Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

Manentana ny kristianina rehetra ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny alahady 12 janoary 2020, mba hifarimbona amin'ny fampivoarana ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny Seminera zandriny Ambohipo, amin'ny mandritra ny fiomanana ny fankalazana faha-zato taona.

Nanatanteraka hetsika ho famalifaliana ny ankizy tsaboina ao amin'ny hôpitamin'ny ankizy "Bambino Gesù", ny zoma 17 janoary, ny "dicastère" misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo sy io hôpitaly iandraiketan'ny Fiketrahana Masina io.

Nametraka fepetra vaovao hifehezana sy hanavahana ny fako ahafahana manodina azy ho mbola azo ampiasaina indray ny ao Vatican.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...