Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra." Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: "Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?" Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: "Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra." Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany."

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy." Dia hoy izy hoe: "Didy inona avy?" Dia hoy i Jesoa: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Dia hoy ilay tovolahy taminy: "Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy." Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...

♦ Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra, hoy i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara, tamin'ny fandraisana ny voady farany nataon'ireo Masera Filles de Marie Auxiliatrice, ny alakamisy 5 aogositra 2021 tao amin'ny EKAR Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely Ivato... ♦ Fahasoavana lehibe no noraisaina tamin'ny Masera Saint Paul de Chartres, hoy i Mgr Alfredo de Nobrega, evekan'i Mananjary, tamin'ny fankalazana ny faha-325 taona niorenan'ny fikambanana, ny 1 aogositra 2021 teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...