Vao avy nankalaza ny Andro Iraisam-pirenenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy isika ny sabotsy 8 marsa teo. Maro ny hetsika nanamarihana izany manerana ny Nosy, fa tao Mahajanga no natao ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy. Lohahevitra moa ny hoe “fitovian-jo sy fizakantenan’ny vehivavy sy ny zatovovavy”. Saika makotroka isan-taona ny fankalazana izany.
• Manao antso avo amin'ny hamoahana ny tena marina, momba ny raharaha Rasazy Narindra, ny fianakaviany... • Dingana manaraka hataon'ny ARFM, ny hametraka Vovonana Foibe Nasionaly iray, mba hikambanan'ny ray aman-dreny rehetra eto amin'ny firenena... • Hanao fanazaran-tena ara-tafika miaraka i Iran, i Rosia ary i Chine anio, any amin'ny fari-dranomasin'i Iran...
10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.
Teo amin'ny hazofijaliana dia mbola nivavaka i Jesoa izay nahatsapany fa maizina tanteraka ny fiainany ary toa natao azy ny Ray ; na izany aza dia mbola niantso ny Ray foana Izy, vavaka feno herim-po sy fahasahiana io vavak'i Jesoa io satria teo am-piaretana ny mafy ; tsy ho an'ny tenany samirery no ivavahany fa ho an'ny hafa ihany koa, ho an'ny olona rehetra... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco