Talata 26 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Hangataka amin'ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.

♦ Nahitana tranga Coronavirus any Tsiroanomandidy araka ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Mbola tsy nampidirina ho isan'ny namoy ny ainy noho ny Covid-19 ilay dokotera namoy ny ainy tany Toamasina fa mbola mandeha ny fanadihadiana ny amin'ny tena nahafaty azy marina... ♦ Nisehoana fifampitifirana tamin'ny tolakandro teo tany Mangarano tany Toamasina...

♦ Hanara-maso ny fanampiana hiadiana amin'ny valan'aretina misy ankehitriny miainga avy amin'ny loharano niaviany ny firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin'ny OSC eto Madagasikara... ♦ Amperin'asa ao amin'ny distrikan'i Moramanga, hanampy tosika ny mpitsabo, ireo andiana mpitsabo avy amin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Niato nanomboka androany ny tsena alatsinainy sy alakamisy ao Manjakandriana, hisorohana ny mety ho fiaritahan'ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Tafakatra 527 ny isan'ny olona voaporofo fa mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandray fepetra vaovao hanamafisana ny ady atao amin'ny fihanaky ny Coronavirus any Toamasina ny fitondram-panjakana... ♦ Dokotera mpitsabo iray no nondaosin'ny fahafatesana tany Toamasina omaly. Misokatra ny fanadihadiana amin'ny antony nahafaty azy...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...