Talata 26 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Hangataka amin'ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.

0 : 00

Ry kristianina Havana, mbola eo amin’ilay fotoana anomanan’i Kristy ny mpianatra ny tsy maintsy handehanany hisaraka amin’izy ireo sy ny handefasany ilay Mpanafaka alahelo ny Evanjely. Kivy ny mpianatra rehefa hoe handeha ny mpampianatra. Sady indray, ilay fomba handehany dia mahaory loatra satria hoe hovonoin’ny olona. Mba tsy hanimba loatra ilay finoana mbola marefo ao amin’ireo mpianatra dia manamafy i Jesoa fa mahasoa azy ireo ny handehanany. Ity Mpanafaka alahelo ity, dia ny Fanahy Masina izay nidina tamin’ireo mpianatra no soa voalaza eto. Ary asehon’ny Evanjely mazava fa “handresy lahatra” an’izao tontolo izao no hahatongavany mba hibebahany, hahalalany ny marina ary ny hiatrehany ny fitsarana.

Ho antsika ankehitriny. Tsy afaka milaza intsony ho tsy mahalala isika. Mitady fomba mandrakariva ny Eglizy hanohizana ny Fitoriana ny Evanjely “mba handre daholo ny eran-tany”. Jereo ange e, impiry isika no amakiana sy itoriana ny Evanjely ? Farafaharatsiny indray mandeha isan’alahady ho an’ireo Fiangonana efa mivoha. Kanefa eto amin’ny onjam-peo dia isan’andro isan’andro. Amintsika ihany koa àry no miantefa ny hafatr’i Kristy fa na niakatra any an-danitra aza Izy dia mampanantena ny Fanahy Masina Mpanafaka alahelo mba haha enik’anjara ny rehetra ny Famonjen’Andriamanitra tanteraka ao amin’i Kristy nanaiky ho Sorona, maty fa nitsangan-ko velona. Amen!

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...