♦ Mananika ny 1600 ny isan'ny olona efa nitondra sy mbola mitondra ny Coronavirus araka ny tarehimarika farany... ♦ Feno 185 taona omaly ny Baiboly Malagasy vita printy voalohany... ♦ Hodinihin'ny Solombavambahoaka amin'ny fivoriana itambaram-be anio ny volavolan-dalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020...

Alatsinainy 22 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.

Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.

Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...