Alarobia 09 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

0 : 00

Raha jerena maimaika dia sahala amin’ny hoe miteny zavatra roa mifanohitra i Jesoa. Makanesa aty amiko ianareo rehetra izay mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo aho. Avy eo anefa dia miteny indray izy hoe ento ny jiogako. Fomba fijery maika moa izany fa ny voalohany dia manentana antsika tsy hiady irery amin’ny fiatrehana ny zava-manahirana, ny adin-tsaina, ny aretina, ny fahafatesana. Tsy hoe foana tsy misy akory izany, fa maivana, izany hoe azo atrehina sy zakaina ihany rehefa entina miaraka amin’Izy Tompo. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe rehefa tsy manatona an’i Jesoa isika dia hahatsapa tanteraka ny vesatr’ireo rehetra ireo. Ny hatahorana amin’izany dia ny famoizam-po ary mety hanaotao foana mihitsy aza.

Faharoa, fomba fitenintsika ny hoe fitia mifamaly mahatsara fihavanana, ny entan-jaray mora zaka. Koa raha nifanampy tamintsika Jesoa Tompo tamin’ny androm-pahoriana, tamin’ny fijaliana dia didiany kosa isika hifanampy Aminy, hizara fitiavana. “ento ny jiogako, mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho”. Jiogam-pitiavana no tiana hambara amin’izany. Azontsika ananana àry, izany toe-panahy izany raha malemy fanahy sy manetry tena ao am-po isika. Koa, aza atao vavaka eo imolotra fotsiny, fa raiso ho anao ao am-po mihitsy ilay hoe : “Ry Jesoa, malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny fonay”. Koa maninona ihany koa moa raha atao hoe : ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po, ataovy manahaka ny fonao ny foko, ny fon’ny dadanay, ny fon’ny mamanay, ny mpitondra anay…

Farany, mbola manamafy io efa voalaza io ihany dia hoe : tsy lalam-piainan’i Jesoa irery ihany anie ny fitondrana ny hazofijaliana, fa ho an’izay misafidy hanaraka Azy ihany koa. Koa, raha sendra ny mafy sy ny mangidy ianao eo amin’ny fiainana, mahatsiaro tena fa mizaka fijaliana tokoa, dia ekeo izany ho famonjena ny fanahinao sy ho famonjena ny fanahin’ny hafa, satria : “izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko, hoy i Kristy, no hahazo azy”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...