Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

♦ Hampiasana fitaovana avo lenta ny fanaraha-maso, mialoha sy mandritra ary ao aorian'ny matso, hataon'ny Foloalondahy eny amin'ny Araben'ny Fahaleovan-tena eny Analakely... ♦ Tsy hitondra fahombiazana eto amintsika ny fampiasam-bola betsaka hanarenana ny toe-karena noho izao fiatrehana ny valan'aretina izao, hoy ny mpitarika ny FMI Malagasy... ♦ Manalasalasa ny fiantohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fampiharana ilay lalana vaovao mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, hoy ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety...

♦ Miparitaka haingana eto an-drenivohitra nt tsimok'aretina Coronavirus. Ny 83 tamin'ireo tranga voatily nambara omaly dia avy eto Antananarivo avokoa... ♦ Nitatitra ny zava-bitan'ny Governemanta nanoloana ny Loholona ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nitrangana haintrano goavana omaly teny amin'ny 67Ha ampita atsimon'ny Vatobe. An-jatony ny trano kilan'ny afo raha ny tarehimarika vonjy maika...

Ny reniny no niandry an'i Vola tany amin'ny hopitaly iny alina nahaterahany iny. Lalina nefa ny adin-tsain'i Dera mandrapahatongan'ny fotoana nampahafantarana an'i Vola ny zava-nitranga rehetra tamin'ny fiantranoan'i Soa tao an-tokantranony, izay tsy niafina tamin'ireo mpanampy azy ireo sy ny rafozam-baviny.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...