I Masimbavy Tatiana de Rome na i Tatienne no tsaroana ny 12 janoary. Niaina tamin'ny taonjato faha-3 i Tatiana na i Tatienne. Consul romain ny rainy, tsara tarehy tokoa i Tatiana. Niara-nivavaka tamin'ireo mahantra izy na dia nanana sy zanaka manam-boninahitra aza.

 Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Alahady fankalazana ny Batemin’i Kristy : i Jesoa natao Batemy ; tandindon’ny batemintsika. Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Ny Batemin'ny Tompo dia azo lazaina fa mbola fisehoan'ny Tompo ihany koa, maneho ny fiatombohan'ny fiainan'ny Tompo amin'ny fiaraha-monina manodidina Azy ; mifarana eto ihany koa ny fankalazana ny Noely, nankalazana an'i Jesoa zazakely. Ny Batemy nataon'i Joany dia amin'ny rano fa ny an'i Kristy dia amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ohatra ho antsika i Joany amin'ny asa fitoriana, nanomana ny fon'ny vahoaka handray an'i Kristy, toy izany ihany koa ny asa miandry antsika Kristianina...

Ny calcium sy ny magnésium dia singa mineraly ilain'ny vatana ; ny calcium dia manampy amin'ny famoronana sy fanamafisana ny taolana miaraka amin'ny vitamine "D", ny magésium kosa dia manampy amin'ny fiasan'ny nofo sy manaitra ny retsika ao amin'ny atidoha. Ny tsy fahampiana magnésium na betsaka loatra dia mitovy ny fitragany. Fambara tsy ampy calcieum : makina sy mihofaka ny oditra, vakivay ny hoho, makina ny volo, manao "crampes" ny fehy na ny lamosina...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...