• Nitondra valin-kafatra ho an'ny mpanohitra ireo antoko manohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Tsy ilaina intsony ny fanakorontanana ny fiainam-pirenena fa ny fampandrosoana izao no imasoana hoy izy ireo...
  • Tsy maintsy ampidinina ao anatin'ny 1 volana sy tapany ny vidim-bary eto Madagasikara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa vita ny kajy fa tokony ho 750 Ariary ny kapoakan'ny vary afarana avy any ivelany...
  • Misedra olana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Misy ny fahatapahana indray mandeha maharitra adiny telo hoy ny Jirama. Ho voavaha ny olana amin'ity taona ity hoy ny ministra tompon'andraikitra amin'ny alalan'ny tetik'asa fametrahana foibe mamokatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro sy avy amin'ny menaka mavesatra...

Ny fanabeazana dia manomboka amin'ny zaza voateraka hatramin'ny fahadimy taonany, izay fotoana ametrahana ny rafitsaina ho an'ny zaza. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra manomboka amin'ny tenany, ny fiaraha-monina ary ho amin'ny firenena. Ny fananana mpanampy no mampikorosy ny fianakaviana iray satria lany vola, tsy zarizary ny fanabeazana sy ny fametrahana rafitsaina ho an'ilay zanaka... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Notanterahana teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha omaly ny filan-kevitry ny ministra voalohany amin'ity taona ity. Lafin-javatra maro mahakasika ny fiainam-pirenena no noresahana nandritra izany...
  • Nitory ny tompon'andraikitra namoaka vaovao tsy marina momba ny antoko teny amin'ny pôlisy misahana ny heloka an'habaka Cybercriminalité teny Anosy omaly tolak'andro ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara, notarihan'Adriamatoa Rivo Rakotovao ; nambara fa mamatsy vola fikasana hanongam-panjakàna ataon'ny olona iray efa maty ny antoko...
  • Nanomboka omaly eny Anosy ny fitsaràna momba ny raharaham-pifidianana ny 11 desambra teo ho an'ny eto amin'ny Faritanin'Antananarivo. Mila mazava amin'ny olom-pirenena sy ny mpiantsehatra ara-pôlitika rehetra ny andraikitry ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna hoy ny Safidy...

Maro ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Julien fa ny tsarovana ny 09 janoary dia i Masindahy Julien d'Antioche, vadin'i Masimbavy Basilisse. Izy ireo dia antsoina hoe mpivady virjiny, relijiozy martiry. Na dia maty tamim-pitiavam-bavaka aza i Basilisse dia nantsoina tamin'ireo anarana mitovy ireo izy roa.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...