• Namoaka filazana fandraisana Lehiben'ny Faritra, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manana hatramin'ny 28 novambra 2025 ireo maniry hanao izany... • Nisy ny fivoarana nentina teo amin'ny sehtra letisia, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, nandritra ny fanokafana ny taom-piotazana tany Toamasina... • Andalam-panamboarana ankehitriny ny fotodrafitr'asa, hanomezana fanofana arak'asa ka hampidi-bola ho an'ireo voafonja, any amin'ny Faritra Amoron'i Mania...
Tamin'ny 15-16 novambra 2025 dia nanamarika ny taon-jôbilin'ny mahantra ny Fiangonana, izay nampahafantarana ny hasina maha-olona sy ny zon'ny olona mahantra, nifanentanana amin'ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana eo amin'ny samy Kristiana. Zo fototra ny fisitrahana ny zo ara-pahasalamana ho an'ny olona rehetra na lahy na vavy, na mahantra na manana : fisorohana, fitsaboana, fanaraha-maso. Maro ireo antony tsy hisitrahan'ny mahantra ny zony : tsy fahampiana ara-bola sy fitaovana, lavitry ny tobi-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hihatra manomboka amin'ity volana novambra ity avokoa ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana, ho an'ireo misitraka izany eo anivon'ny CNaPs... ♦ Mbola asa goavana ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara satria mijanona an-taratasy fotsiny ny ankamaroan'izany... ♦ Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho "Agent de Police". Efa azo raisina eny amin'ny ENMG kosa ny taratasy fiantsoana ho an'ireo mpiadina voasoratra ara-dalàna amin'ny fifaninanana hidirana ho mpitsara... ♦ Miteraka ady hevitra be any Frantsa, ny filazàn'i Fabien Mandon fa tsy maintsy mahafoy ny zanany i Frantsa manoloana ny ambana ady amin'ny Rosia...
Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco