Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny hanatonan'ny mpino kristiana amin'ny fomba malalaka ny Tenin'Andriamanitra no tanjon'ny Fiangonana ka fomba hahatongavana amin'izany ny Teny. Tany am-piandohana dia dikan-teny roa lehibe no nankatoavin'ny Fiangonana dia eo aloha ny avy amin'ny Grika tranainy, nataon'izy 70 lahy ka zary niantsoana azy hoe dika-teny Septanta, ary avy amin'ny Latinina "Volgata"... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

lahady faha-29 mandavantaona — D — Mahareta hanana ny soa. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aoka ho lavorary ny olon’Andriamanitra ary ho vonona amin’ny asa soa rehetra. Ny evanjely eto dia miresaka toro-hevitra momba ny fivavahana, manazava ny saina manoloana ny fanontaniana saro-balina. Be fitiavana Andriamanitra ary mihaino mandrakarivana ny fitarainan'ny olona Izy. Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny mivavaka ho an'ny hafa...

♦ Nanolo-kevitra amin'ny famolavolana Sata Manokana mifehy izao fitondrana tetezamita izao miainga amin'ny lalam-panorenena misy ankehitriny ny filoha nasiônalin'ny antoko Matsilo, Jeannot Randrianaivoarivony... ♦ Tokony hiainga eny amin'ny Fokontany hatrany amin'ny filohan'ny repoblika ny fanovan-drafitra hapetraka eto Madagasikara hoy ny Vondron'ny Fikambanan'ny mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo... ♦ Nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faharoa tao an-tampon-tanànan'i Moramanga omaly. Nitokona mitaky ny hiasan'izy ireo ao amin'ny faritry ny kaominina Ambohibary ny tompon'ny Bajaj sy ny mpitondra Bajaj...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...