Boky Jenezy (Jen. 6, 5-8 ; 7, 1-5. 10)
Hitan’ny Tompo fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany,
ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra
avy amin’ny fony isan’andro.
Ka nanenina ny Tompo tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany;
ary nalahelo tao am-pony Izy, ka hoy Izy hoe:
“Haringako tsy ho eo ambon’ny tany ny olombelona noarìko,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy,
ny biby mikisaka sy ny voro-manidina,
fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.”
I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’ny Tompo.
Hoy ny Tompo tamin’i Nôe:
“Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra,
fa amin’izao olona miara-belona aminao izao,
dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy,
no halainao ho ao aminao;
ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;
ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany
tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho,
mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina;
ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.”
Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’ny Tompo nataony.
Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safo-drano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10)
Rey zanak’Andriamanitra,
mieke ny Tompo:
ny Anaran’ny Tompo iekeo voninahitra!
Ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina!
Feon’ny Tompo ambony rano:
ny Tompo ambony ranobe!
Feon’ny Tompo ary hery!
Feon’ny Tompo ary fiandrianana!
Andriamanitra be voninahitra mampitalakotroka!
Feon’ny Tompo manoditra ny ala!
Ny Tompo mipetraka hatramin’ny safo-drano;
ny Tompo mitoetra manjaka hatrizay!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:
“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina
sy ny lalivain’i Herôda.”
Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Noho isika tsy manana mofo izay.”
Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:
“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo?
ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Dia hoy ireo taminy hoe:
“Roa ambin’ny folo.”
Dia hoy i Jesoa:
“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Hoy ireo hoe:
“Fito.”
Dia hoy Izy taminy:
“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 4, 1-15. 25)
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy,
dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe:
“Efa nampisy olona anankiray aho
tamin’ny fanampian’ny Tompo.”
Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.
I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina
ho fanatitra ho an’ny Tompo.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny,
mbamin’ny taviny.
Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny.
Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Nahoana no tezitra ianao,
ary nahoana no kivy endrika?
Raha tsara ny ataonao,
tsy hankasitrahana va ianao?
Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao,
moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota?
Mankaminao ny faniriany,
fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.”
Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:
“Andeha isika ho any an-tsaha.”
Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo,
namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Aiza i Abela rahalahinao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsy fantatro.
Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?”
Hoy ny Tompo:
“Inona no nataonao?
fa mitaraina hatraty amiko
ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao,
fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao
nalatsaky ny tanananao.
Rahefa hiasa ny tany ianao
dia tsy hanome vokatra intsony izy,
ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.”
Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo:
“Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny
ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao;
ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho,
ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.”
Hoy ny Tompo taminy:
“Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina
dia valiana faty impito heny i Kaina.”
Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina
mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy,
nataony hoe Seta, fa hoy izy:
“Nomen’Andriamanitra ny fara aho
ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21)
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo
dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany:
“Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao,
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!”
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao!
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy
sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:
“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”
Dia nilaozany izy ireo
ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-8)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano Izy,
mandatsaka ny vahany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 1, 1ab-2. 3. 4 sy 6
Endrey, sambatra loatra
izay tsy momba ny ratsy fanahy,
fa ny lalàn’ny Tompo no maminy,
io no saininy andro aman’alina!
Hazo amoron-drano velona izy:
ka miroborobo faniry,
mamoa ara-potoana, tsy mba malazo ravina:
izay rehetra ataony dia mahomby avokoa.
Ny ratsy fanahy kosa tsy izany velively;
akofa paohin-drivotra tsy maharitra eto an-tany.
Eny, fantatry ny Tompo ny lalan’ny olo-marina;
fa ny an’ny olon-dratsy mitondra any an-tevana.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 12. 16-20)
Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana no ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty?
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona, raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 17. 20-26)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka.
Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe:
“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany,
hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany.
Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo.
Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza,
fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{/tab}
Zava-dehibe ho an'ny fiainan'ny tanora ny fanomanana ny ho aviny, ka tsy tokony tsinotsinoavina. Ny fifankahalana sy ny fizarazana dia isan'ny manimba ny tanora, tsy tokony ho lany fotoana amin'ny rendrarendra ny tanora, fa hanao ho zava-dehibe ny mahasoa, toy ny fianarana sy ny fiofanana... Miantso ny tanora mba hiverina amin'ny fitiavam-bavaka, torak'izany ny fianakaviana tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco