Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 5, 1-4)
Ry malala,
mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho,
dia izaho izay Pretra toa azy koa,
sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy,
ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo;
aoka ianareo hitandrina azy ireo,
tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra;
tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy,
fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry,
dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)
Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 11, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra.
Nony nandeha niantsinanana ny olona
dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy,
ka niorim-ponenana teo.
Dia nifampilaza izy nanao hoe:
“Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.”
Dia biriky no nataony solom-bato,
ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Hoy koa izy:
“Andeha isika hanorina tanàna anankiray,
ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony,
dia hanangana tsangambato ho antsika,
fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.”
Fa nidina kosa ny Tompo hizaha ny tanàna aman-tilikambo
nataon’ny zanak’olombelona.
Dia hoy ny Tompo:
“Indro firenena iray izy ireo
ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra,
ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao;
amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy
tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny
mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.”
Dia napariakan’ny Tompo avy eo izy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra,
ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.
Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela,
satria tao no nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny tany rehetra,
ary avy ao no nampielezan’ny Tompo azy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 32, 10-11. 12-13. 14-15)
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombeona.
Any amin’ny toerany onenany Izy
mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
ilay mahafantatra ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
Tamin’izany andro izany,
nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:
“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely
no hamonjy azy.
Inona ny soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Sa inona no azon’ny olona omena
ho takalon’ny fanahiny?
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko
amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity,
dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona
rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy
otronin’ny Anjely masina.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina aminareo
fa ny sasany aminareo eto
dia tsy hanandra-pahafatesana
raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra
tonga amin’ny voninahitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 9, 1-13)
Nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:
“Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra,
ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra,
ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina;
efa natolotra eo an-tananareo ireny.
Ho fihinana ho anareo avokoa
rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina;
fa omeko anareo daholo izany rehetra izany,
toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy;
izany hoe ny rany.
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo,
hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra sy ny olombelona;
ny tanan’olombelona izay mpirahalahy
no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona,
dia mba halatsak’olona koa ny rany,
satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo;
mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.”
Hoy koa Andriamanitra
tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:
“Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo
sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara
ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako,
ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23)
Hatolotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
hanaja ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.
Soraty izay ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerana masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany;
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay;
ary ny taranany hijoro eo anoloanao;
ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany
nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo,
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”
Ary ireo namaly Azy, nanao hoe:
“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.”
Hoy Izy tamin’izy ireo:
“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”
Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:
“Ianao no i Kristy.”
Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy
na amin’iza na amin’iza.
Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo
fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara no filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy,
ary niteny mafy an’i Piera hoe:
“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 8, 6-13. 20-22)
Nony afaka efapolo andro,
dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara i Nôe,
ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo,
mandra-paharitra ny rano tambonin’ny tany.
Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy,
hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.
Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromailala,
ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara
fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany.
Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy
sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.
Mbola niandry hafitoana indray izy,
vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva,
ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany
ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.
Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala
ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.
Tamin’ny taona faharaika amby eninjato,
tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana,
dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany.
Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy,
ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’ny Tompo,
ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra,
dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
Dia nandre hanitra mahafinaritra ny Tompo ka nanao anakampo hoe:
“Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona;
fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona;
ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra
toy izay nataoko izay intsony Aho.
Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany,
dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana,
ny hatsiaka sy ny hafanana,
ny fahavaratra sy ny ririnina,
ary ny andro sy ny alina .”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 115, 12-13. 14-15. 18-19)
Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena,
tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena;
efaiko ao an-kianjan’ny tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
Tamin’izany andro izany,
tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany,
ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy,
sy nangataka taminy mba hanendry azy.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba
ka nentiny nivoaka ny tanàna izy;
nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy,
ary nanontaniany raha mahita zavatra.
Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe:
“Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.”
Dia nametrahany tanana indray ny masony,
ka nasainy nijery izy,
izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.
Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe:
“Modia any an-tranonao,
fa aza miakatra ao an-tanàna
na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco