Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.
05 ôktôbra — Teraka tao Głogowiec tao Pologne ny 25 aogositra 1905 i Faustine. Hélène no anarany ary zaza fahatelo amin'ny zaza folo izy. Tantsaha mahantra ny fianakaviany. Teo amin'ny fahafito taonany izy no naheno ny fiantsoana azy ho relijiozy.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco