08 ôktôbra — Teraka tao Antioche tamin'ny taona 430, ary nantsoina hoe Marguerite i Pélagie. Niasa tamin'ny tarika mpilalao andapihazo izy. Nodimandry tao Jerosalema izy ny taona 457. Ny toriteny nataon'i Nonnus, eveka tao Edesse tamin'ny taona 453 no nampiova sy nampibebaka azy, ka nahatonga azy nihataka tany an-tendombohitr'i Oliva, nanao asa fibebahana mandram-pahafatiny.
♦ Havan'ny mahantra, io no iantsoana an'i Masindahy Artemide Zatti, Salezianina hasandratra ho olomasina, amin'ny alahady 9 ôktôbra 2022... ♦ Nanatontosa ny fanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pikatrohana 2022-2023, ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nandefa hafatra fiaraha-miory noho ny loza nitranga ny alakamisy teo, nahafatesana olona 36 tao amin'ny akanin-jaza tao Thaïlande, ny Papa François...
07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco