15 aogositra — Ny Assomption dia fanamarihana ny nanalana na ny nanesorana an’i Masina Maria tety an-tany ho any an-danitra, vatana sy fanahy. Nanomboka tamin’ny kônsily tao Ephèse tamin’ny taona 431 izay nanambarana an’i Masina Maria ho renin’Andriamanitra ny fankalazana.
14 aogositra — Teraka ny 07 janoary 1894 tao Zduńska Wola i Maximilien Marie Kolbe. Raymond Kolbe no anarany fa taty aoriana vao lasa Maximilien Marie Kolbe.
13 aogositra — Samy martiry tamin’ny taonjato fahatelo na i Pontien na i Hippolyte. Tamin’ny fanenjehana kristianina tamin’ny andron’ny amperora Maximin dia nalefa nanao asa anterivozona tany Sardaigne ny papa Pontien ary tena nampijaliana mihitsy mandram-pahafatiny.
♦ Nandefa taratasy fankasitrahana ho an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny 15 aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana ny faha-5 taonan'ny Diôsezin'i Maintirano... ♦ Nankahery ireo misiônera avy ao amin'ny Fiangonana ao Río Cuarto, Argenetine, ho any amin'ny Diôsezin'i Orán, ny Papa François...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco