♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...

Ireo antony mahatsara ny fianakaviana : mahay mifampikarakara, mifampihaino, mifanakaiky am-po ary mahay mifampahery. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 9, 2-3. 11-14

Ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny toerana marina indrindra.

Ry kristianina havana,
nisy tranolay natao,
ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina,
dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana,
sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Ary ny efitra lamba faharoa kosa,
dia atao hoe fitoerana masina indrindra.
Fa i Kristy kosa,
nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra,
tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny
niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy,
ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ran-janak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’ombivavy,
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy
izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny
tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby.
Ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana!
ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana!
Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra arahina hoby;
ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!
Antsao Andriamanitra! antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra;
koa antsao amim-pirindrana!
Andriamanitra manjaka amin’ireo firenena;
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 20-21

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany
dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 8, 6-13

Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa Izy.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia voatendry
hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Eny tokoa,
satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany,
dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra
no miteny toy izao:

“Indro, hoy ny Tompo,
ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao
amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda;
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo,
tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy
nivoaka avy tany Ejipta,
izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”,

hoy ny Tompo;

“fa fanekena toy izao kosa no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany”,

hoy ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko,
ary hosoratako ao am-pony;
ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo,
ary izy kosa ho vahoakako.
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy,
na hanao amin’ny rahalahiny hoe:
Mahalalà an’Andriamanitra.
Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Satria havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany.”

Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy,
amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao;
ary izay hoe tranainy sy efa antitra
dia efa madiva ho levona mihitsy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao!
Omeo anay ny famonjenao.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 13-19

Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina
sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...