♦ Tsy voahaja ny voalazan'ny lalàna ny amin'ny tsy mbola namoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny isan'ireo solombavambahoaka sy ny fari-pifidianana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey, hoy ny Sampana Fanaraha-maso Safidy... ♦ Nampahafantarina omaly ireo kandidà 20 andiany voalohany avy amin'ny antoko TIM; hirotsaka anatin'ny Vovonana Firaisan-kina, amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Nisy ny fifandeferana tamin'ny fisafidianana ireo kandidà, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manomboka miha-maro ireo mankalaza ny taom-baovao  Malagasy. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa manomboka manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy hoy ireo mpandala ny fomban-drazana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...