Alahady fahaefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo hanoloran'ny Fiangonana ny hevi-dehibe hoe : ny hevitr'Andriamanitra, tsy hevitsika. Ny Evanjely Masina nosoratan'i Md Lioka 1, 26-38 dia azahoana fintina hoe : indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Soa kokoa ny hevitr'Andriamanitra noho ny hevitr'olombelona : te hanorina Tempoly ho an'Andriamanitra i David fa Andriamanitra te hanorina Fanjakana tsy manam-pahataperana ; ny Jody nanantena mpamonjy ho azy fa mpamonjy ho an'izao tontolo izao ny nomen'Andriamanitra...
♦ Tsy misy miova ny fampianaran'ny Eglizy Katôlika momba ny mariazy, hoy i Mompera Jean Séraphin Rafanomezantsoa, manoloana ny fanambarana navoakan'ny Dikasteran'ny Fampielezana ny Finoana, momba ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana... ♦ Fanendrena Eveka, Sinaody, fananganana Olomasina, fiainam-pirenena: ireo no nivoitra tamin'ny dian'ireo mpikambana ao amin'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tany Rôma, tamin'ny faran'ny volana nôvambra teo...
Manana ny toerana manokana ary manan-danja ny safidy eo amin'ny fanatsarana ny fiainana. Aoka tsy hatao ambanin-javatra ny safidy ary mizàra maneho safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)
Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:
“Avy aiza ianao?”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”
Dia hoy i Davida taminy:
“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”
Ary hoy izy:
“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”
Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:
“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 79, 2-3. 5-7
Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:
“Efa very saina Izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco