♦ Tsy niova ny safidin'ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola nametra-pitokisana hatrany amin'Andriamatoa Ntsay Christian eo amin'ny toeran'ny Praiministra, araka ny fanendrena natao omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Tafakatra 10 ireo olona maty tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro ka tao amin'ny Distrikan'i Beroroha ny 4 tamin'ireo, raha 3 tao Manakara ary iray avy tao Vohipeno sy Manja ary Ikongo... ♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo atidoha tamin'ilay raharaha halatra tany ao Isahafa, Anosy-Avaratra... ♦ Tafakatra 242 ireo olona tsy hita popoka ary 92 ireo maty vokatra ilay horohoron-tany nitranga tany Japon araka ny tatitra farany nivoaka io maraina io...
♦ Anio amin'ny 8 ora alina no hampahafantarina eny Iavoloha izay ho Praiministra, hitantana indray ny Governemanta. Anarana vitsivitsy androany no efa natolotr'ireo solombavambahoaka IRD hisafidianan'ny filoha... ♦ Tompon'andraikitra ambony maromaro any amin'ny Faritr'i Boeny no nentina aty Antananarivo, hatao fanadihadiana eo anivon'ny PAC. Anisan'ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha vary simba tany Mahajanga ihany koa izy ireo... ♦ Tafakatra 9 ny isan'ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro, raha ny tarehimarika vonjimaika avy amin'ny BNGRC. Tany Beroroha sy Manakara ny ankamaroan'izy ireo...
♦ Tafiakatra 5.010 Ariary ny iray Euro omaly tolakandro tamin'ny fikatonan'ny tsenan'ny fifanakalozana vola vahiny. Manodidina ny 4.500Ariary kosa ny iray Dolara... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny ministra hisahana ny fanjifana ho avy eo ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI hitondra ny tetik'asa izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa... ♦ Vahaolana entina mamaha ny fahantran'ny tontolo ambanivohitra ny fampiofanana ara-pambolena hoy ny tambazotra FARMADA... ♦ Namoizana ain'olona 78 farafahakeliny ny horohoron-tany nitranga tany Japon tamin'ny alatsinainy teo araka ny tarehimarika farany. Am-polony ireo tsy hita popoka hatramin'izao...
Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco