♦ Nisy fahatarana adiny roa latsaka teo ho eo ny fanombohan'ny fanadinana BEPC niatrehan'ny mpiadina ny taranja anglisy teny amin'ny foibem-panadinana Nanisana ao amin'ny Cisco Antananarivo renivohitra androany maraina. Voalaza fa efa nisy namoaka mialohan'ny fotoana ny laza adina... ♦ Hiaka-dapa araka ny voafaritry ny lalam-panorenana indray amin'ny talata 9 jolay izao ny solombavambahoaka 163 voafidy ny 29 mey teo... ♦ Efa misokatra ho an'ny fiara rehetra ny RN6 mampitohy ny disitrika Ambanja amin'Antsiranana. Tsy misy intsony ny famindrana entana ho an'ny fitanterana iraisana ho an'ireo mpandeha hihazo an'Antsiranana sy ny any amin'ny lalana mihazo an'i Vohemar...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240704.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...