♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...

♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...

♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...

♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...