• Hisitraka ny fandaharan'asa "Mifampitsimbina" hanampiana ireo tokandrano marefo, ny tokantrano miisa 50.000 manerana ny nosy. Natomboky ny filohan'ny Repoblika tao an-drenivohitra ny fizarana vary 1 gona sy ny sakafo sy PPN...
  • Nampiakatra ny toerana misy ny kandidà ben'ny tanàna natolotry ny antoko miaradia amin'ny Fanjakàna ao an-drenivohitra ny fifanaratsiana eo amin'ny samy mpanohitra hoy ny antoko PRM...
  • Mbola misy eto Madagasikara ny aretina Pesta. Distrika 45 no ahitana ny pesta atoditarimo sy ny pesta aretin-tratra hoy ny tale misahana ny ady amin'ny areti-mifindra, ao amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...

Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mitaky  ny mangarahara momba ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina amin'ny 11 desambra ny solombavambahoaka TIM. Misy ny lesoka tsikaritra tamin'ny dingana narahana tamin'ny fangatahana ny didy avy amin'ny fitsarana na ny "ordonnance" afahana misoratra anaty listra hoy izy ireo...
  • Nigadona teto Madagasikara omaly ny andiany faharoa amin'ny biby nahondrana antsokosoko tratra tany Thaïlande ny voalohan'ny volana mey lasa teo. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'ireo biby hoy ny tompon'andraikitra...
  • Miroso ny tetik'asa fanavaozana ao amin'ny fadintseranana malagasy. Ampiasaina ny saina voatr'olombelona hanafainganana ny famoahana entana...

  • Vola manodidina ny 6 tapitrisa Dolara no nanohanan'i Korea ny fandintseranana malagasy, entina hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa...
  • Tandindonin-doza ny bibidia eto Madagasikara. Eo am-pamolavolana ny pôlitikam-pirenena mahakasika ny fitantanana sy ny fanomezan-danja izany isika Malagasy...
  • Tsy afa-po amin'ny fomba fiasan'ny CENI manoloana ny fiatrehana ny fifidianana, ny Solombavam-bahoaka TIM...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...