Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, lahabolana fanehoam-pitiavana. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Lahabolana fifampiatsiana fitiavana, somary ankolaka, ka ny lehilahy no manomboka azy ary manohina ny vehivavy ; isan'ny mampiavaka azy ny hoe tsy maintsy hifamalian'ny lahy sy ny vavy. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...
I Masindahy Raymond de Penyafort no ankalazaina ny 07 janoary. Teraka tokony ho tamin'ny 1175 tao amin'ny lapam-pianakaviana tao Vilafranca de Penedès akaikin'i Barcelone i Raymond. Fianakavian'ny mpanjaka tao Aragon sy ny Comte tao Bercelone izy.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco