♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
♦ Nahitsy fanintelony ny hetran-trano ao Antananarivo-renivohitra tao anatin'ny 5 taona. Fanitsiana izay tombànana ho misy pi-maso ara-politika amin'ny mpifidy, amin'izao fifidianana ben'ny tanàna izao... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaza indray ireo Solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io. Mety ho voaresaka anatin'ny fivorian'izy ireo ny fanitsiana ny vidin-tsolika, araka ny fepetra napetraky ny FMI... ♦ Midina ny vidin'ny lafarina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tokony ho efa 3.000Ariary eo ny kilaon'ny lafarinina vokarina eto an-toerana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH... ♦ Olona maherin'ny 370 no namoy ny ainy tao anatin'ny herintaona nisian'ny fifanafihana eo amin'i Israel sy ny Hamas...
♦ Manana kandidà ben'ny tanàna 139 amin'ny Distrika 25 ny antoko Fivoy amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo ireo kandidà ireo... ♦ Efa tsy misy ahiana intsony ireo mpianatra 15 isa, izay narary tampoka tany an-tsekoly teny amin'ny Lycée Catholique Saint Michel Itaosy ny herinandro teo... ♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Marary ny mpanabe, izay mamolavola ny olona rehetra hisian'ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny fikambanana AJEEM... ♦ Feno herintaona anio 7 ôktobra ny fiverenan'ny ady mahery vaika ataon'i Israel any Proche Orient...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 15-23)
Ry kristianina havana,
nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho,
sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’ny Rain’ny voninahitra,
Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo
ny fanahin’ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany,
famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 8, 2-3a. 4-5. 6-7
Inty aho hihira ny fiandriananao.
Ambony sy madera manoatra ny lanitra.
Ireo vao minono sy ireo zaza bodo
no he miantsa Anao ka mitory fiderana.
Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao,
ny volana, ny kintana ’zay namboarinao;
fa inona ny olona no mba tsiahivinao!
Ny zanak’olombelona e tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy.
Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy.
Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco