Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.
Masindahy Antoine, ilay mpanirery no tsaroana ny 17 janoary. Teraka tany Egypte i Masindahy Antoine, niaina tamin'ny taona 251 izy ka hatramin'ny 356. Nampalaza an'i Antoine ny fampihaonana ireo olona nanirery tamin'ny fitsipi-piainana iombonana tany amin'izany toerana izany. Nahazo fanabeazana kristianina lalim-paka tamin'ny fianakaviany izy.
Betsaka tamin'ny mpianatr'i Jesoa no tsy dia nahazo mazava tsara ny fampianarany ka lasa nandao Azy, teo koa ny fikonokononana hamadika Azy nataon'i Jodasy ; tamin'izay anefa i Jesoa no nanomboka niteny mazava ny fijaliany sy ny fahafatesany. Tao anatin'izany toe-javatra izany i Jesoa no niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ny mpianany telo lahy ary niova tarehy... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco