• Haneho hevitra ankalamanjana ary hangataka lalana amin'ny Préfet an'Antananarivo, ahafahana manao izany, ny Hery Politika Mitambatra sy ny mpiara-dia aminy, rehefa tsy navela hivory sy haneho hevitra anaty trano. Nomena anarana ho Vondrona Fanarenam-pirenena koa ny fiombonamben'izy ireo, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Natao androany ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny olona amin'ny fampiasana ny harina sy kitay madio sy manaja tontolo iainana sy fenitra... • Efa afaka mandeha ny baka fitaterana ao Ifasy sy Mahavavy amin'ny Lalam-pirenena fahenina. Laharam-pahamehana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra, ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina...
Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ny Jihe dia lahabolana fanao amin'ny fifaliana, fahoriana, famondrona hery hanao asa na dia iraisana. Amin'ny fihaonan'ny antoko mpiangaly jihe amin'ny sampanan-dalana iray dia misy ny fifanandrinana, fifamelezana io ilay atao hoe "BILO", eto dia tanana no hifamelezana fa tsy mampiasa fitaovana hafa. Azo ampilaharina amin'ny sangy mahery ny BILO...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco