25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.
Ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely dia samy maneho ny fiombonam-piainana nisy teo amin'i Jesoa sy ny Ray, ary tamin'ny toe-javatra natrehina dia hita miharihary ny vavak'i Jesoa maneho ny tsy maha irery Azy sy ny fitodiany mandrakariva amin'ny Ray. Anisan'ny mampiharihary ny maha kristianina ny fiombonany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Vinavinaina hitombo hery ka ho lasa rivodoza ao anatin'ny roa andro ireo faritra andro ratsy manodidina ny morotsirak'i Madagasikara. Tomombana amin'ny ankapobeny ny tontolo ivoaran'izy ireo... • Namory ireo mpiara-miombona antoka aminy amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny famoronana asa mendrika ho an'ny tanora, ny Don Bosco Madagascar. Tanjona ny hitadiavana ny fomba hanampiana ny tanora hananany asa mahavelona azy sy ho avy mamiratra... • Nosoniavina androany teny amin'ny Episcopat Antanimena ny fifanarahana eo amin'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana sy ny Orinasa Base Toliara. Miompana amin'ny fananan-tany ny fiaraha-miasa...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco