Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana  teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...

• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...

• Hiditra anio tolakandro eo anelanelan'i Brickaville sy i Fenoarivo Atsinanana, ilay rivodoza Faida... • Tsy tanteraka ny hetsika saika notanterahan'ny mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nikasa ny handray fitenenana teo anatrehan'ny Minisitra izy ireo, nandritra ny fananganan-tsaina... • Mihena isan-taona ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy ny 90%-n'ny rano ilain'ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mihatototra ny eny an-toerana noho ireo olana samihafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...