Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.

Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Andrasana eo anelanelan'i Sainte Marie sy i Brickaville rahampitso maraina, ny fidiran'ilay rivodoza Faida an-tanety... • Olana sedrain'ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy rano an'Antananarivo sy ny manodidina, ny atsanga sy ny fiorenan'ny foto-drafitrasa manakaiky azy... • Miankina tanteraka amin'ny fomba fiasa, izay tena ilana ezaka lehibe, ny hahazoana vokatra tsara, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Razafimamonjy Fenosoa...

• Nankalazaina omaly 2 febroary ny Andro maneran-tany ho an'ny Fiainana Voatokana. Anisan'ny nanamarika izany ny relijiozy rehetra teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, natao teny Mandrimena Iavoloha... • Nankalazaina tamin'ny zoma 31 janoary 2025 ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, mpanorina ny Fikambanana Saleziana. Nitarika ny Eokaristia Masina tamin'izany ny Arsevekan'Antananarivo... • Mila ny fahazavan'i Kristy ny tontolo ankehitriny, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...