Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa, ary Izy no mhatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Mivavaka ho antsika i Jesoa, eo amin'ny toerantsika sy ho amin'ny tombontsoantsika. Voaravona indray maka tamin'ny antsony mahery teo amin'ny hazofijaliana sy neken'ny Ray tamin'ny fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Alahady faha-6 mandavantaona — D : Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Sambatra izay mitoky amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olombelona, izay mitory fampitandremana ho an'ireo mpanompo sampy, anefa ihany koa fampaherezana ireo izay mitoky amin'izy Tompo. Manery antsika hanao safidy ny tenin'Andriamanitra izay omena antsika amin'ity alahady faha-6 ity : Hozana sa tso-drano, fanantenana sa famoizam-po, hasambarana sa loza. Ny sitrak'Andriamanitra dia ny lalana mitondra amin'ny famonjena...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco