Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 13-25)

Avy amin’ny taranak’i Davida no nomoahan’Andriamanitra an’i Jesoa Mpamonjy.

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany,
ka tonga tany Perjy any Panfilia;
ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany,
ka lasa niverina tany Jerosalema.
Fa izy ireo kosa niala tany Perjy,
dia tonga tany Antiôkia any Pisidia,
ary niditra tao amin’ny sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany,
dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagôga nanao hoe:

“Ry Rahalahy,
ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.”

Dia nitsangana i Paoly,
nanofa tanana azy hangina ka nanao hoe:

“Mihainoa, ry Israelita,
sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.
Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao
no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka
fony izy nitoetra tany Ejipta;
ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.
Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,
ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaana Izy
dia nanome ny faritanin’ireny ho fananany,
tokony ho dimampolo sy efajato taona.
Taorian’izay,
dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoela mpaminany.
Nony afaka izany,
dia nangataka mpanjaka izy ireo,
ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy,
lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina,
naharitra efapolo taona.
Nony nesoriny kosa indray i Saoly,
i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo,
dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:
Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitra-poko rehetra.
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an’i Israely.
Talohan’ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy:
Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 21-22. 25 sy 27

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny fahamarinana sy hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony;
na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy.
Raha fantatrareo izany,
dia ho sambatra ianareo raha manao izany.
Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidìko);
fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
Izay miara-mihinana mofo amiko
no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.
Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany,
mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...