Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 24 — 13, 5a)

Atokàny ho Ahy i Saoly sy i Barnabe.

Tamin’izany andro izany, dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo,
ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema,
dia niverina tany Antiôkia izy,
ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra:
dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe i Mainty,
i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo
dia hoy ny Fanahy Masina taminy:

“Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe,
mba hanao ny asa izay niantsoako azy.”

Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo
dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe
ka lasa nankany Seleosia,
mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.
Nony tonga tany Salamina izy,
dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao anie ny vahoaka, ry Andriamanitra; hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany!
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony.
Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao!
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 44-50)

Tonga amin’izao tontolo izao Aho ho fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe:

“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany,
fa izay naniraka Ahy;
ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy.
Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho,
mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy,
dia tsy mitsara azy Aho;
satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako
fa hamonjy azy.
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko,
misy izay hitsara azy:
dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
satria tsy niteny ho Ahy Aho,
fa ny Ray izay naniraka Ahy
no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko.
Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.
Koa ny zavatra lazaiko àry,
dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...