• Nampiditra 327 miliara Ariary ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany, tamin'ny taona 2022... • Nanolotra vola mitentina 8 tapitrisa Dolara, hanamboarana ny ampahany amin'ny Lalam-pirenena faha-13, ny orinasa QMM... • Lanonana roa sosona no notanterahana teny amin'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona androany, namaranana ny faha-50 taona nijoroan'ny sekoly...

• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy ny fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Io no lohahevitra ifanentanan'ny olon-dehibe amin'ny Andron'ny Olon-dehibe Katolika, hotanterahana any Morondava amin'ny volana aogositra 2025... • Misy fihatsarana ny fahasalaman'ny Ray masina, araka ny nambaran'ny sampana fampahalalam-baovaon'ny Fiketrahana Masina, tamin'ny maraina teo...

Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...

• Mbola ahitana sakana ny fanenjehana ireo mpiasam-panjakana ambony izay ahiahiana ho tafiditra amin'ny resaka kolikoly... • Hiakatra kianja anio amin'ny 5 ora hariva ny Ankoay ka hifandona amin'i Côte d'Ivoire. Lalao tafiditra amin'ny fifanintsanana amin'ny Afrobasket 2025... • Efa manomboka miarin-doha ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara. 9 tapitrisa Euros no nateraky ny fikatonan'ny sisintany tamin'ny fotoanan'ny Covid...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...