• Nahazo fampitandremana miloko MENA amin'ny fiakaran'ny renirano araka ny fampahafantarana navoakan'ny teo anivon'ny BNGRC omaly talata tamin'ny 4 ora tolak'andro ny lemak'Antananarivo...
  • Mbola miato ny fampianarana ho amin'ity alarobia 19 febroary ity ho an'ny farim-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana ary Anjozorobe noho ny fiakaran'ny rano araka ny fampahafantarana nataon'ny DREN Analamanga...
  • Namoaka fanambarana ny amin'ny mbola tsy nisian'ny fanovana ny tambin-karama raisin'ireo mpikamban'ny governemanta hatramin'ny taona 2018 ny teo anivon'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
  • Noraràn'ny fitondrana Taliban ny fahafahan'ny Onjam-peo BEGUM mandeha any Afghanistan, ity onjam-peo ity ihany no hany miady ho an'ny zon'ny vehivavy any amin'ity firenena ity...

19 febroary — Raha ny tantaran'i Masindahy Gabin dia tsy dia misy ambara firy nefa na izany aza, izay kely fantatra momba azy dia ahafahana maka ohatra ny finoana nananany. Niaina tamin'ny taonjato fahatelo i Masindahy Gabin.

Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

• Haneho hevitra ankalamanjana ary hangataka lalana amin'ny Préfet an'Antananarivo, ahafahana manao izany, ny Hery Politika Mitambatra sy ny mpiara-dia aminy, rehefa tsy navela hivory sy haneho hevitra anaty trano. Nomena anarana ho Vondrona Fanarenam-pirenena koa ny fiombonamben'izy ireo, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Natao androany ny atrikasa fampahafantarana sy fanentanana ny olona amin'ny fampiasana ny harina sy kitay madio sy manaja tontolo iainana sy fenitra... • Efa afaka mandeha ny baka fitaterana ao Ifasy sy Mahavavy amin'ny Lalam-pirenena fahenina. Laharam-pahamehana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra, ny fampitana ireo mpianatra isa-maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...