‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.
• Miato ny fampianarana eny amin'ny Disitrika Atsimondrano anio alatsinainy. Anton'izany ny fiakaran'ny rano, izay namoahana filazana loza miloko mena, nanomboka omaly... • Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toliara omaly. Nisy ny naratra tamin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana, nanaparitaka ireo andian'olona manohitra ny Base Tuléar... • Fahazoan-dalana maromaro, hitrandraka harena ankibon'ny tany, no nofoanana. Nisy koa anefa ny famoahana fahazoan-dalana hitrandraka sy hikaroka. Manazava izany ny Minisitra tompon'andraikitra...
24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 11, 18-20)
I Jeremia niteny tamin’ny Tompo hoe:
“Nampahalalain’ny Tompo aho ka nahalala;
nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
Izaho, tamin’izany,
hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina,
ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe:‘Fongory mbamin’ny voany ny hazo!
Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy,
ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!’Mitsara ara-drariny anefa ny Tompon’ny tafika;
mamantatra ny soa sy ny fo Izy.
Ka hahita ny famalianao azy ireo aho,
fa Ianao no efa nanankinako ny adiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 7, 2-3. 9bd-10. 11-12)
Ry Tompo Andriamanitra ô! Ianao no ifefeko.
Vonjeo amin’ny mpanenjika rehetra aho:
ndrao izy ho toy ny liona mandrotika,
mamiravira tsy misy mirombaka.
Tsarao araka ny fahamarinako aho, ry Tompo,
sy araka ny tsy fananako tsiny, ry Ilay Avo.
Valio ny haratsian’ireo ratsy;
ny olo-marina kosa ajoroy
ry Mpandinika ny fo sy ny saina,
ry Andriamanitra marina.
Ny Mpanao soa ahy dia Andriamanitra,
ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.
Andriamanitra Mpitsara marina,
tsy mba mitezitra isan’andro
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka,
ny sasany nanao hoe:
“Ity tokoa no Ilay Mpaminany”;
ny sasany nanao hoe:
“Ity no Kristy”;
fa hoy kosa ny sasany:
“Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy?
Tsy voalazan’ny Soratra Masina va
fa avy amin’ny taranak’i Davida,
sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida
no hiavian’i Kristy?”
Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka.
Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy;
saingy tsy nisy sahy nitana Azy.
Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila,
ka nilazan’ireo hoe:
“Ahoana no tsy nitondranareo Azy?”
Fa hoy ny navalin’ny miaramila:
“Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.”
Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo:
“Ianareo koa angaha voasolokiny?
Jereo ange raha mba misy loholona
na Farisianina iray akory nino Azy?
Ary raha izay vahoaka foana
tsy mahalala ny Lalàna akory,
dia olona voaozona ireny.”
Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo,
no nanao taminy hoe:
“Moa ny Lalàntsika va manameloka olona
raha tsy efa re aloha ny teniny,
ka fantatra koa izay nataony?”
Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ianao koa ve avy any Galilea?
Diniho dia ho hitanao
fa tsy misy mpaminany avy any Galilea.”
Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco