• Misy 20 mahery ireo endrika kolikoly mety mitranga amin'ny fanomezana tsenam-baro-panjakana eto amintsika, hoy ny Fahefam-panjakana mandrindra ny tsenam-baro-panjakana na ny ARMP... • Tonga manatanteraka iraka manokana eto amintsika ny Minisitra Delege eo anivon'ny Minisitera Eoropeanina misahana ny Raharaham-bahiny an'ny Francophonie sy ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena, Andriamatoa Thani Mohamed Soihili... • Baobab nains, miisa 188 no sarona tany Mahajanga, raha 840 kosa no tra-tehaka tany Antsohihy. Saika hahondra an-tsokosoko avokoa izy ireo...

• Laharana voalohany vonjimaika ao amin'ny Vondrona 1 misy azy ny ekipam-pirenena Barea, tao aorian'ny lalao nifandonany tamin'i Centrafrique omaly. 4 sy 1 no isa nibatan'ny ekipam-pirenena malagasy ny fandresena... • Hanatanteraka hetsika ho firaisam-po ny Paramed manerana ny nosy anio alakamisy 20 marsa. Tsy hisy ny asa ataon'izy ireo eny anivon'ny CSB sy ny hopitaly, ankoatra ny fiandrasan-draharaha... • Belo Tsiribihina - Morondava : Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain'olona efatra ka ny roa olon-dehibe ary ankizy ny roa hafa. Mpandeha miisa 8 no mbola karohana...

20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

• Baolina kitra : tanterahana any Maroc ny fihaonana eo amin'i Madagasikara sy i Centre Afrique. Vonona hibata fandresena ny mpilalao tarihan'ny mpanazatra Corentin Martins... • Tokony hampiarina amin'izay ny lalana manoloana ny fanalam-baraka sy ny fanaratsiana amin'ny tambajotran-tserasera. Fanambaran'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Mara Volamiranty Dona... • Very fanahy mbola velona ireo tantsaha mpamboly ao amin'ny Fokontany Ankarenana sy Amboangivy ao amin'ny Kaominina Ambohimasina, Distrikan'Arivonimamo, noho ny fisian'ny fitrandrahana volamena eo anelanelan'ireo fokontany roa ireo. Potika ny fambolem-bary, toa izany koa ny tohadrano...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...